Onja lava
Ny onja lava dia ny fampiasana fari-katetika 30 kHz hatramin'i 300 kHz amin'ny fampielezana fampahalalana.
Fampiasana
[hanova | hanova ny fango]Balizy tsy mitondro
[hanova | hanova ny fango]Ny balizy tsy mitondro dia mampita ho an'ireo mpahita tari-dalana amin'onja (radio direction finder, RDF) amin'ny fahitan-dalana amin'ny fiaramanidina na amin'ny sambo. Izy ireo dia fantatra amin'ny alalan'ny kaody Morse. Ny hatetik'onjan'izy ireo dia 190 hatramin'ny 1.750 kHz. Amin'ny Faritra ITU 1, ny fetra ambany indrindra dia 280 kHz.
Famantaranandro
[hanova | hanova ny fango]Amin'ny valan-katetika 40-80 kHz dia ahitana ireo famantaranandro an'onja. Ohatra:
- WWVB ao Colorado: 60 kHz;
- DFC77 ao Frankfurt am Main, Alemaina: 77 kHz;
- JJY ao Japana: 40 sy 60 kHz
- 66,66 kHz ao Rosia
- BPC ao Lintong, Sina: 68,5 kHz;
Ireo famantaranandro entin'onja dia mahazo ny ora amin'ny alalana mpandray onja naorina tao anatiny. Izy ireo dia mampiasa onja lava fa tsy onja fohy na onja afovoany, satria tsy iharan'ny fiovana vokatry ny soson-drio ny onja; noho izy ireo miely amin'ny alalan'ny tany fa tsy amin'ny alalan'ny lanitra, ka tsy miovaova ny fotoam-pielezany.
Fifandraisan-tafika
[hanova | hanova ny fango]Ireo firenena toa i Fanjakana Mitambatra, Federasionan'i Rosia, Etazonia, Alemaina na Soeda dia mampiasa hatetik'onja latsaky ny 50 kHz amin'ny fifandraisana amin'ny sambo ambanin-dranony
Fampiasana amin'ny fampielezam-peo
[hanova | hanova ny fango]Ao amin'ny faritra ITU voalohany ihany no ampiasana ny onja lava amin'ny fampielezam-peo. Ireo mpampiely feo dia hita ao Eoropa, Mongolia, Aljeria ary Maroka.
Hatetika mitondra
[hanova | hanova ny fango]Ireo hatetika mitondra dia songatombon'ny 9 kHz manomboka amin'ny 153 hatramin'ny 279 kHz, afatsy ho an'ny onjam-peo Europe #1 ao Alemaina. Ao Mongolia, ny hatetik'onja dia mifanelanelana 10 kHz.