Aller au contenu

Hasira

Avy amin'i Wikipedia

Ny hasira dia ny habetsahan' ny sira levona ao anatn' ny ranoka, indrindra ny rano, izay mpandevona mahery ho an' ny mineraly maro. Matetika ny venty ampiasaina dia ny g/L na g/kg (graman-tsira isaky ny litatra na isaky ny kilaon-drano; ity farany ity dia tsy misy refy ary mitovy amin' ny ‰, izany hoe isan' arivo). Ny hasiradia dia singa manan-danja amin' ny famaritana ny lafiny maro amin' ny simian' ny rano voajanahary sy amin' ny dingana biôlôjika ao anatiny, ary ny ova ao amin' toetra termôdinamika (toy ny mari-pana sy ny tsindry) izay, mifehy ny toetra ara-pizika toy ny lanja isam-bentin-kadiry sy ny fiatiana ara-panan' ny rano.