Fiteny malagasy
Fiteny malagasy | |
Isan'ny mpiteny | 25 tapitrisa (teny nibeazana)[1] |
Faritany | Madagasikara |
Sata | Ofisialy any Madagasikara (miaraka amin'ny teny frantsay) |
Mpandamina | Akademia Malagasy |
Kaodim-piteny | mg, mlg[3] |
Soratra | latina |
Ny fiteny malagasy dia fiteny ao amin' ny vondrom-piteny baritô, anisan' ny fiteny aostrôneziana sy fitohizam-pitenim-paritra ampiasaina indrindra eto Madagasikara. Ny karazany mahazatra, antsoina hoe "malagasy ôfisialy", no fiteny ôfisialin' ny Repoblikan' i Madagasikara, miaraka amin' ny fiteny frantsay. Ny fiteny malagasy no fiteny malaiô-pôlineziana andrefana indrindra, fitenin' ny mponina eto Madagasikara nanomboka tamin' ny fiorenam-ponenan' ny Aostrôneziana avy any amin' ny Nosy Sunda (eo amin' ny 7 300 km any ho any) tamn'ny manodidina ny taonjato faha-5 taor. J.K. Anisan' ny fiteny baritô ny fiteny malagasy ary mifandray akaiky indrindra amin' ny fiteny maaniany, izay mbola ampiasaina any Borneo. Ahitana teny indrana avy amin' ny fiteny maley maro koa ny fiteny malagasy[4], nanomboka tamin' ny fiorenam-ponenan' ny Aostrôneziana sy ny varotra teo amin' i Madagasikara sy ireo Nosy Sunda[5]. Taorian' ny taona 1000 taor. J.K. dia nampiditra teny banto sy teny arabo maro, nentin' ny mpivarotra sy mpifindra monina vaovao, ny fiteny malagasy.
Manodidina ny 29 tapitrisa ny olona miteny malagasy eto Madagasikara sy ao Kômôro. Ny ankabeazan' ny mponina eto Madagasikara dia manao an' io fiteny io ho fiteny voalohany, toy ny ataon' ny sasany amin' ny taranaky ny Malagasy any amin' ny toeran-kafa. Mizarazara ho fitenim-paritra roa ambin' ny folo ny fiteny malagasy, izay azo avondrona amina sokajim-pitenim-paritra roa lehibe: fitenim-paritra tatsinanana sy fitenim-paritra tandrefana. Miteny amin' ny fitenim-paritra merina ny mponina ao amin' ny tany avo afovoan' ny Nosy, izay misy an' Antananarivo renivohitra sy nisy ny Fanjakana Merina taloha. Ny fitenim-paritra merina no fototry ny fiteny malagasy ampiasain' ny fitantanan-draharaham-panjakana sy ny haino aman-jery eto Madagasikara. Io fiteny malagasy manara-penitra io no iray amin' ny fiteny ôfisialy roan' i Madagasikara, miaraka amin' ny fiteny frantsay, araka ny lalàm-panorenan' ny Repoblika fahefatr' i Madagasikara tamin' ny taona 2010.
Soratana amin' ny tarehin-tsoratra latina nampidirin' ny misiônera tandrefana tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-19 ny fiteny malagasy. Talohan' izany dia nampiasaina ny Sorabe izay fampifanarahana ny abidy arabo amin' ny fiteny malagasy.
Araka ny antontanisan' ny Akademia malagasy dia ny 83,61 % dia tsy miteny afatsy amin' ny fiteny malagasy[6].
Fanasokajiana
[hanova | hanova ny fango]Ny endriky ny fiteny malagasy dia tsy tahaka ny fiteny ao Afrika satria io fiteny io dia ao amin' ny vondrona malaiô-pôlineziana, sampan' ny vondrona aostrôneziana[7], vondrona ahitana koa fiteny any Indônezia, Malezia, Filipina ary any nosy any Pasifika. Raha ny marina, ny fifandraisan' ny fiteny malagasy amin' ny fiteny aostrôneziana hafa dia efa tsikaritry ny manam-pahaizana tany am-boalohany, toa an' ilay manam-pahaizana hôlandey Adriaan Reland tamin' ny taona 1708[8].
Ny fiavian' ny fiteny malagasy dia fantatry ny mpandini-piteny hatramin' ny taonjato faha-19. Ny fiteny malagasy dia iray vondrona amin' ny fiteny baritô any amin' ny faritany atsimo-atsinanana amin' ny nosy Bôrneô. Amin' ny fiteny aostrôneziana rehetra, i Dahl (1951) dia nampiseho fa ny fiteny mlagasy sy ny fiteny maaniany – izay fiteny baritô atsinanana ampiasaina any Kalimantan Afovoany (any Indônezia ao amin' ny nosy Borneo) – dia tena mifandray akaiky[9]. Io fiteny io koa dia misy nandray singa maro avy amin' ny fiteny malay taloha. Fanampin' izany dia nindrana teny sy singa momba ny fanakambanam-peo avy amin' ny fiteny banto ny fiteny malagasy (Dahl 1988).
Betsaka ny fitovian' ny fiteny malagasy amin' ny fiteny maaniany, fiteny tenenina ao amin' ny faritry ny renirano Barito, ao amin' ny tapany atsimon' i Bôrneô. Lazaina fa mponina aotrôneziana avy amin' ny Tamba-nosy Maley nandalo tany Bôrneô no nipetraka teto Madagasikara, na dia tsy fantatra aza ny anton' io fifindra-monina io. Taty aoriana dia nihevitra i Adelaar (1995) fa ny voambolana ao amin' ny fiteny malagasy koa dia ahitana teny maro avy any Sulawesi Atsimo[10]. Ny porofo fanampiny momba ity soso-kevitra ity dia natolotr' i Blench (2018)[11].
Taonjato maro taty aoriana, nifangaro tamin' ny Arabo sy ny Masombika (Afrikana avy amin' ny Tontolo Soahily) ny Aostrôneziana. Any Banjarmasin, nosin' i Kalimantan (Indônezia) no foiben' ny fiteny baritô. Ny fiteny akaikikaikin' ny fiteny malagasy ankehitriny dia ny fiteny maaniany. Misy koa ny fiteny samihima sy ny fiteny dosona deiaha sns. Ao amin' ny fiteny malagasy dia misy indran-teny avy amin' ny fiteny arabo sy avy amin' ny fiteny soahily.
Oha-pampitahana
[hanova | hanova ny fango]Azo ampitahaina ny voambolana fototra avy amin' ny lisitra Swadesh ary izy io dia mamoaka ity tabilao manaraka ity:
malagasy | malay-indôneziana | tahisiana |
---|---|---|
tany | tanah | fenua (ind. benua = "kôntinenta") |
lanitra | langit | ra'i |
rano | air (danau = "farihy") | vai |
afo | api | āuahi |
lehilahy, lahy | laki-laki | tane |
vehivavy, vaviny | wanita, perempuan | vahine |
mihinana, homana | makan | 'amu |
misotro (minona) | minum | inu |
lehibe, ngeza,"be" | besar | rahi |
kely, tity | kecil | iti |
alina, Maizina | malam | po |
andro, matsana | hari | mahana |
Fanisana | 1 | 2 | 3 | 4 | 5 | 6 | 7 | 8 | 9 | 10 |
---|---|---|---|---|---|---|---|---|---|---|
prôtô-aostrôneziana, tokony 4000 tal. J.K. | *isa | *duSa | *telu | *Sepat | *lima | *enem | *pitu | *walu | *Siwa | *puluq |
malagasy | iray/isa | roa | telo | efatra | dimy | enina | fito | valo | sivy | folo |
maaniany | isa | rueh | telo | epat | dime | enem | pitu | balu | su'ey | sapulu |
kadazana | iso | duvo | tohu | apat | himo | onom | tu'u | vahu | sizam | hopod |
dosona | iso | duo | tolu | apat | limo | onom | turu | walu | siam | hopod |
varay | usá | duhá | tuló | upát | limá | unóm | pitó | waló | siyám | napúlo |
tagalôga | isá | dalawá | tatló | ápat | limá | ánim | pitó | waló | siyám | sampu |
hiligainôna | isa | duha | tatlu | apat | lima | anum | pito | walu | siyam | pulo |
kinaray-a | sara | darwa | tatlo | apat | lima | anəm | pito | walo | siyam | pulû |
ilôkanô | maysá | dua | talló | uppát | limá | inném | pitó | waló | siam | sangapúlo |
samôrô | maisa/håcha | hugua | tulu | fatfat | lima | gunum | fiti | guålu | sigua | månot/fulu |
maley (indôneziana sy maleziana) | satu | dua | tiga | empat | lima | enam | tujuh | (de)lapan | sembilan | sepuluh |
sondaney | hiji | dua | tilu | opat | lima | genep | tujuh | dalapan | salapan | sapuluh |
javaney | siji | loro | telu | papat | limå | nem | pitu | wålu | sångå | sepuluh |
tetoma | ida | rua | tolu | haat | lima | neen | hitu | ualu | sia | sanulu |
fijiana | dua | rua | tolu | vā | lima | ono | vitu | walu | ciwa | tini, -sagavulu |
tôngana | taha | ua | tolu | fā | nima | ono | fitu | valu | hiva | -fulu |
samoan | tasi | lua | tolu | fa | lima | ono | fitu | valu | iva | sefulu |
Tantara
[hanova | hanova ny fango]Ny Aostrôneziana avy any Azia Atsimo-Atsinanana an-dranomasina avy any amin' ny Nosy Sunda (Tangoro-nosy Maley) no nanorim-ponenana voalohany teto Madagasikara[12]. Mikasika ny lalan' izy ireo, ny mety ho nahatongavan' ny fiteny aostrôneziana indôneziana dia niampita mivantana ny Ranomasimbe Indianina avy any Java ka hatraty Madagasikara. Azo inoana fa namakivaky an' ireo nosin' i Maldiva izy ireo, izay misy porofon' ny famolavolana endriky ny sambo indôneziana tranainy sy ny teknôlôjian' ny fanjonoana izay mbola misy mandraka ankehitriny[13]. Nitohy nandritra ny arivo taona voalohany ny fifindra-monina, araka ny nohamafisin' ny mpikaroka momba ny fiteny izay naneho ny fifandraisana akaiky teo amin' ny fiteny malagasy sy ny fiteny maley taloha sy ny fiteny javaney taloha tamin' io vanim-potoana io[14]. Avy amin' ny fiteny baritô atsimo-atsinanana ny fiteny malagasy, ary ny fiteny maaniany no mpihavana akaiky indrindra aminy, miaraka amin' ny indran-teny maley sy javaney maro[5][15]. Fantatra fa nentin' ny Maley sy ny Javaney mpivarotra ho mpiasa sy andevo tamin' ny andian-tsambon' izy ireo ny Maaniany, andian-tsambo izay tonga teto Madagasikara tamin' ny manodidina ny taona 50–500 taor. J.K.[16][17]. Taty aoriana, tokony tamin' ny taona 1000, ny Aostrôneziana tonga voalohany dia nifangaro amin' ny Banto sy ny Arabo, ankoatra ny hafa[18]. Misy ny porofo fa ny fahatongavan' ny fitenim-paritra malagasy voalohany tany amin' ny faritra atsimon' ny morontsiraka atsinanan' i Madagasikara[19].
Manana zavakanto nentim-paharazana amin' ny teny (hainteny) ary tantara sy angano an-tononkalo ny Malagasy. Ny malaza indrindra dia ny tantara' Ibonia, izay maherifo malagasy[20].
Ny haisoratra malagasy dia efa nanomboka tamin' ny taonjato faha-19. Ny Frantsay tonga tao Fort-Dauphin (Taolagnaro) tamin' ny taonjato faha-17, dia nahita soratra tamin' ny sorabe. Ny soratra voalohany natao amin' ny abidy latina dia ny rakibolana malagasy-hôlandey nosoratana tamin' ny fanombohan' ny taonjato faha-17 navoakan' i Gabriel Ferrand voalohany tamin' ny 1908. Ny sorabe dia soratra mety nampidirina eto Madagasikara tamin' ny taonjato faha-15. Radama I, mpanjaka nahay mamaky teny sy manoratra tao amin' ny Fanjakana Merina, dia nametra ny litera ampiasaina ao amin' ny abidy malagasy avy amin' ny abidy latina mbola ampiasaintsika amin' izao fotoana izao; saingy ny fitsipi-panoratana ampiasaina fotsiny no niova. Nikasa hanangana fiangonana sy trano sekoly hianarana abidy miaraka amin' ireo misiônera prôtestanta avy ao amin' ny London Missionary Society i Radama I.
Ny boky voalohany natonta printy tamin' ny teny malagasy soratana amin' ny abidy vaovao, dia ny Baiboly, nadikan' ny misiônera kristiana britanika tamin' ny taona 1835 niasa tao Imerina. Ny rakibolana vita printy voalohany dia ny rakibolana malagasy-frantsay nataon' i Étienne de Flacourt.
Faritra itetenana azy
[hanova | hanova ny fango]Ny fiteny malagasy no tena fiteny ampiasaina indrindra eto Madagasikara. Miteny izany koa ny vondrom-piarahamonina malagasy any amin’ ny nosy manodidina ao amin' ny Ranomasimbe Indianina toa an' i La Réunion, i Mayotte ary i Maorisy. Misy ihany koa ny vondrom-piarahamonina malagasy mpila ravinahitra miteny an' io fiteny io any Eorôpa sy any Amerika Avaratra.
Satan' ny fiteny malagasy
[hanova | hanova ny fango]Ny fitenim-paritra merina ao amin' ny fiteny malagasy no heverina fitenim-pirenena eto Madagasikara. Anisan' ny fiteny ôfisialy roa, miaraka amin' ny fiteny frantsay, izy io ao amin' ny Lalàm-panorenana tamin' ny taona 2010 izay nametraka ny Repoblika fahefatra. Teo aloha, araka ny lalàm-panorenana tamin' ny taona 2007, ny fiteny malagasy dia iray amin' ny fiteny ôfisialy telo miaraka amin' ny fiteny frantsay sy ny fiteny anglisy. Ny fiteny malagasy no fiteny enti-mampianatra eny amin' ny sekolim-panjakana rehetra hatramin' ny kilasy fahadimy ho an' ny taranja rehetra, ary mijanona ho fiteny enti-mampianatra hatramin' ny lisea ho an' ny taranja tantara sy ny teny malagasy. (jereo: Fanagasiana)
Fitenim-paritra eto Madagasikara
[hanova | hanova ny fango]Rehefa jerena amin' ny lafiny fandiniham-piteny ny fiteny malagasy, dia misy fitenim-paritra maromaro fa mitovitovy, izay heverina fa tsy fiteny mahaleo tena ny tsirairay aminy. Ny mpahay teny dia mizara ny fitenim-paritra malagasy ho vondrona roa, dia ny fitenim-parira atsinanana (ahitana ny fiteny merina) sy ny fitenim-paritra andrefana (ahitana ny fiteny sakalava), ka ny faritry ny tovifiteny dia manaraka ny hazondamosin' ny Nosy, ary amin' izany ny atsimo dia ao amin' ny vondrona andrefana, fa ny lembalemba afovoany sy ny ankamaroan' ny avaratra (ankoatra ny any amin' ny tendrony indrindra) dia ao amin' ny vondrona atsinanana. Ny Ethnologue dia mirakitra fitenim-paritra malagasy roa ambin' ny folo izay sokajiny ho fiteny miavaka. Misy fitoviana voambolana eo amin' ny 70 % amin' ny fiteny merina izy ireo. Na dia mitondra anaram-poko aza ny fitenim-paritra malagasy dia tsy mltovy ny isan' ny foko sy ny fitenim-paritra eto Madagasikara.
Fitenim-paritra tatsinanana
[hanova | hanova ny fango]Araka ny fanasokajian' ny Ethnologue dia misy fitenim-paritra dimy ny vondrona atsinanana, dia ireto izany:
- fiteny betsimisaraka avaratra (mpiteny miisa 1 270 000) – fitenin' ny Betsimisaraka any amin' ny morontsiraka avaratra-atsinanan' ny Nosy;
- fiteny betsimisaraka atsimo (misy mpiteny miisa 2 000 000) – tenenin' ny Betsimisaraka ao amin' ny tapany avaratra amin' ny Faritra Vatovavy Fitovinany;
- fitenin' ny afovoan-tany, (misy mpiteny miisa 10 893 000) – tenenina ao afovoan' ny Nosy sy ahitana fitenim-paritra betsileo, bezanozano, merina, sihanaka, tanala, antefasy, ary antemoro;
- fiteny tanosy (ahitana mpiteny miisa 639 000) – tenenin' ny Antanosy any atsimon' ny Nosy[21];
- fiteny tesaka (misy mpiteny miisa 1 130 000) – tenenin' ny Antaisaka any atsimo-atsinanan' ny Nosy[22].
Fitenim-paritra tandrefana
[hanova | hanova ny fango]Araka ny fanasokajian' ny Ethnologue dia misy fitenim-paritra enina, miampy ny fiteny kibosy, ny vondrona andrefana, dia ireto izany:
- fiteny antankarana (misy mpiteny miisa 156 000) – tenenin' ny Antankarana any amin' ny tendrony avaratry ny Nosy;
- fiteny bara (misy mpiteny miisa 724 000) – tenenin' ny Bara any amin' ny tapany atsimon' ny Nosy;
- fiteny masikoro (misy mpiteny miisa 550 000) – tenenin' ny Masikoro any amin' ny tapany atsimo-andrefan' ny Nosy;
- fiteny sakalava (misy mpiteny miisa 1 210 000) – fitenin' ny Sakalava any amin' ny morontsiraka andrefan' ny Nosy;
- fiteny tandroy-mahafaly (mpiteny miisa 1 300 000) – fitenin' ny Antandroy sy ny Mahafaly any amin' ny tendrony atsimo amin' ny Nosy, izay mizara ho fiteny tandroy sy fiteny mahafaly;
- fiteny tsimihety (misy mpiteny miisa 1 615 000) – tenenin' ny Tsimihety[22];
- fiteny kibosy (misy mpiteny miisa 41 700) dia tenenina ao amin' ny faritr' i Mayotte[23], izay ao anatin' ny Vondro-nosy Kômôro any avaratra-andrefan' i Madagasikara.
Eto Madagasikara dia misy ny fiteny malagasy ôfisialy izay miasa eran' ny Nosy amin' ny raharaham-panjakana sy ny haino aman-jery (gazety sy ny radiô ary ny fahitalavitra) ary ny fivavahana nampidirina teto Madagasikara.
Fahasamihafan' ny fitenim-paritra
[hanova | hanova ny fango]Hita eo ambany ny tabilao maneho ny lanjan' isan' ny fahasamihafan' ny tenim-paritra.
1 | 2 | 3 | 4 | 5 | 6 | 7 | 8 | 9 | 10 | 11 | 12 | 13 | 14 | 15 | 16 | 17 | 18 | ||
---|---|---|---|---|---|---|---|---|---|---|---|---|---|---|---|---|---|---|---|
1 | Merina | 100 | 81 | 81 | 92 | 92 | 86 | 78 | 80 | 79 | 68 | 71 | 68 | 70 | 70 | 61 | 77 | 69 | 61 |
2 | Temoro | 81 | 100 | 78 | 79 | 80 | 78 | 81 | 88 | 88 | 67 | 69 | 71 | 72 | 69 | 61 | 76 | 73 | 65 |
3 | Betsimisaraka | 81 | 78 | 100 | 84 | 78 | 77 | 80 | 78 | 75 | 77 | 70 | 65 | 66 | 62 | 54 | 74 | 96 | 61 |
4 | Sihanaka | 92 | 79 | 84 | 100 | 86 | 81 | 76 | 79 | 77 | 72 | 69 | 67 | 68 | 66 | 59 | 72 | 68 | 58 |
5 | Betsileo-1[m 1] | 92 | 80 | 78 | 86 | 100 | 88 | 77 | 81 | 79 | 68 | 74 | 71 | 75 | 71 | 61 | 79 | 71 | 62 |
6 | Betsileo-2[m 2] | 86 | 78 | 77 | 81 | 88 | 100 | 77 | 80 | 77 | 67 | 71 | 74 | 79 | 74 | 66 | 82 | 75 | 66 |
7 | Antambahoaka | 78 | 81 | 80 | 76 | 77 | 77 | 100 | 74 | 74 | 69 | 66 | 64 | 64 | 60 | 52 | 67 | 64 | 56 |
8 | Antesaka | 80 | 88 | 78 | 79 | 81 | 80 | 74 | 100 | 89 | 67 | 70 | 71 | 73 | 72 | 62 | 76 | 72 | 63 |
9 | Zafisoro | 79 | 88 | 75 | 77 | 79 | 77 | 74 | 89 | 100 | 63 | 68 | 68 | 72 | 71 | 61 | 76 | 71 | 63 |
10 | Tsimihety | 68 | 67 | 77 | 72 | 68 | 67 | 69 | 67 | 63 | 100 | 75 | 61 | 64 | 63 | 54 | 68 | 64 | 56 |
11 | Tankarana | 71 | 69 | 70 | 69 | 74 | 71 | 66 | 70 | 68 | 75 | 100 | 65 | 68 | 69 | 59 | 70 | 67 | 56 |
12 | Vezo | 68 | 71 | 65 | 67 | 71 | 74 | 64 | 71 | 68 | 61 | 65 | 100 | 84 | 74 | 64 | 77 | 80 | 69 |
13 | Mahafaly | 70 | 72 | 66 | 68 | 75 | 79 | 64 | 73 | 72 | 64 | 68 | 84 | 100 | 80 | 68 | 83 | 86 | 76 |
14 | Sakalava-1[m 3] | 70 | 69 | 62 | 66 | 71 | 74 | 60 | 72 | 71 | 63 | 69 | 74 | 80 | 100 | 82 | 79 | 75 | 66 |
15 | Sakalava-2[m 4] | 61 | 61 | 54 | 59 | 61 | 66 | 52 | 62 | 62 | 54 | 59 | 64 | 68 | 82 | 100 | 70 | 67 | 63 |
16 | Bara | 77 | 76 | 74 | 72 | 79 | 82 | 68 | 76 | 76 | 68 | 70 | 77 | 83 | 79 | 70 | 100 | 85 | 74 |
17 | Tandroy-1[m 5] | 69 | 73 | 69 | 68 | 71 | 75 | 64 | 72 | 71 | 64 | 67 | 80 | 86 | 75 | 67 | 85 | 100 | 83 |
18 | Tandroy-2[m 6] | 61 | 65 | 61 | 58 | 62 | 66 | 56 | 63 | 63 | 56 | 56 | 69 | 76 | 66 | 68 | 74 | 83 | 100 |
Voambolana
[hanova | hanova ny fango]Ny ankamaroan' ny voambolana fototra dia itovian' ny fiteny malagasy amin' ny fiteny maaniany, izay fiteny any amin' ny faritry ny ony Barito any amin' ny tapany atsimon' i Borneo. Ny fiteny malagasy koa dia ahitana indran-teny sasany avy amin' ny fiteny arabo sy banto (indrindra ny sampana sabaky, izay niavian' ny fiteny soahily indrindra), ary vao haingana avy amin' ny fiteny frantsay sy anglisy.
Indran-teny tamin' ny fiteny javaney sy maley
[hanova | hanova ny fango]Betsaka ny indran-teny amin' ny fiteny malagasy avy amin' ny fiteny maley sy fiteny javaney taloha; anisan' ireo teny ireo ny hoe trozona, iray amin' ny teny maley hoe duyung; ny horita avy amin' ny teny hoe gurita; ny fano avy amin' ny teny hoe penyu, ny hara avy amin' ny teny maley hoe karah, ny fanohara (karazan-tsokatra) avy amin' ny teny maley hoe penyu karah; rivotra avy amin' ny teny maley hoe ribut midika "rivomahery" na "rivodoza"; tanjona avy amin' ny teny maley hoe tanjung; harana avy amin' ny teny maley hoe karang; sambo sy nosy avy amin' ny teny javaney hoe sāmvaw sy nusa, sns.
Indran-teny avy amin' ny fiteny sanskrity
[hanova | hanova ny fango]Ny indran-teny avy amin' ny teny sanskrity dia mikasina ny isa sy ny tetiandro. Azo atao ohatra izao ny teny hoe tantara avy amin' ny teny sanskrity hoe tantra midika "rijan-kevitra" na "teôria"; toraka izany koa ny teny hoe hetsy (100 000) izay avy amin' ny teny maley hoe keti nindramina tamin' ny teny sanskrity hoe koṭi midika hoe "folo tapitrisa".
Ny teny avy amin' ny fiteny sanskrity moa dia nindramin' ny fiteny malagasy talohan' ny nahatongavan' ny Malagasy teto Madagasikara. Ka noho izany izy ireo dia niharan' ny fiovana ara-drafipeo, ka tsy fantatra avy hatrany intsony ny fiaviany raha tsy dinihana amin' ny alalan' ny haifiteny mampitaha (frantsay: linguistique comparative)[24].
Indran-teny avy amin' ny fiteny hafa
[hanova | hanova ny fango]Ankehitriny ny fiteny malagasy dia nindran-teny tamin' ny fiteny arabo (voambolana mikasika ny fanandroana), ny fieny soahily (voambolana mikasika ny biby ompiana toy ny teny hoe omby, ondry na akoho) ary tamin' ny teny frantsay sy anglisy ho an' ny voambolana mikasika ny fitaovana ampiasaina amin' izao fotoana izao, toy ny solosaina azo tenenina koa hoe ordinatera na kompiotera. Ao koa ny anaran' ny karazan-java-kohanina toy ny piza (na pija), ny makaraona sns...
Nanana ny fianjadiany ihany koa ny fiteny arabo, indrindraindrindra amin' ny voambolana ampiasaina amin' ny fanandroana ary ireo vondron-kintan' ny zôdiaka: Alahamady, Adaoro, Asorotany, sns...; ary koa amin' ny lafiny tetiandro, amin' ny fampiasana ireo teny arabo ho fiantsoana ny anaran' andron' ny herinandro: Alatsinainy, Talata, Alarobia, sns..
Feon-teny
[hanova | hanova ny fango]Zanapeo
[hanova | hanova ny fango]Aseho anatin' ity fafana eto ambany ity ny zanapeon' ny fiteny malagasy.
align: center"
Aloha | Afovoany | Aoriana | |
---|---|---|---|
Avo | i (i, y) | u (o) | |
Afovoany | e (e) | ||
Ambany | a (a) |
Renifeo
[hanova | hanova ny fango]Ireto kosa ny renifeon' ny fiteny malagasy.
Amolotra roa | Amolora sy anify | Anify | Ankihy | Andanilany | Ambavatraoka | ||
---|---|---|---|---|---|---|---|
Mipoaka | Marenina | p (p) | t (t) | t͡s (ts) | k (k) | ||
Misy feo | b (b) | d (d) | d͡z (j) | ɡ (g) | |||
Marenina mialohan'ny orona | ᵐp (mp) | ⁿt (nt) | ⁿt͡s (nts) | ŋk (nk) | |||
Misy feo mialohan'ny orona | ᵐb (mb) | ⁿd (nd) | ⁿd͡z (nj) | ᵑɡ (ng) | |||
Mikasaoka | Marenina | f (f) | s (s) | h (h) | |||
Misy feo | v (v) | z (z) | |||||
An' orona | m (m) | n (n) | |||||
An-tsisiny | l (l) | ||||||
Mikodia | r (r) |
Fanoratana ny teny malagasy
[hanova | hanova ny fango]Ny fampiasana ny abidy arabo: ny Sorabe
[hanova | hanova ny fango]Ny fiteny malagasy dia nanana literatiora an-tsoratra izay azo inoana fa efa tamin' ny taonjato faha-15. Rehefa nanorina an' i Fort-Dauphin ny Frantsay tamin' ny taonjato faha-17, dia nahita soratra arabo-malagasy nampiasaina, antsoina hoe Sorabe (سُرَبِ).
Ny Sorabe dia abidy avy amin' ny abjady arabo (ajami) izay natao hanoratana ny fiteny malagasy, indrindraindrindra ny fiteny ao amin' ny tapany atsimo-atsinanan' i Madagasikara: ny fiteny antemoro (anteoñy sy anakara). Fantatra fa isaina aman-jatony ny lahatsoratra nosoratana tamin' ny alalan' io abidy io; ny tena antitra amin' ireo lahatsoratra ireo dia nosoratana tany amin' ny taonjato faha-17 tany ho any.
Io abidy sorabe io dia nampiasaina indrindra tamin' ny lahatsoratra momba ny fanandroana. Ny sora-tanana tranainy indrindra fantatra fa natao amin' io soratra io dia angom-boambolana fohy malagasy-hôlandey tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-17, izay navoakan' i Gabriel Ferrand[25] voalohany tamin' ny taona 1908 na dia tsy maintsy efa tfiditra tany amin' ny tapany atsimo-atsinanan' i Madagasikara aza ilay soratra tamin' ny taonjato faha-15[26].
Tamin' ny taonjato faha-18 dia fantatra ary nampiasain' ny foko rehetra eran' i Madagasikara io abidy io: tao Imerina, nanafatra mpanoratra antemoro i Andrianampoinimerina mba hampianatra ny ankizy hamaky teny ary hanoratra. Izay no nahatonga an-dRadama hahay manoratra sy namaky teny hatry ny fahazazany.
Ny fandikana amin' ny fiteny roa voalohany ny lahatsoratra ara-pivavahana dia ny nataon' i Étienne de Flacourt[27], izay namoaka ny rakibolana voalohany tamin' io fiteny io koa[28].
Litikana | Fiafarana | Anatiny | Fiandohana | IPA | Abidy latina |
---|---|---|---|---|---|
ا | ـا | ا | /ʔ/ | - | |
ب | ـب | ـبـ | بـ | /b, ᵐb/ | b / mb |
ت | ـة | ـتـ | تـ | /ts, ⁿts/ | ts / nts |
ج | ـج | ـجـ | جـ | /dz, ⁿdz/ | j / nj |
ڊ | ـڊ | ڊ | /d/ | d | |
ر | ـر | ر | /r/ | r | |
رّ | ـرّ | رّ | /ɖʳ, ᶯɖʳ, ʈʳ, ᶯʈʳ/ | dr / ndr / tr / ntr | |
س | ـس | ـسـ | سـ | /s/ | s |
ࢋ | ـࢋ | ـࢋـ | ࢋـ | /t, ⁿt/ | t / nt |
ع | ـع | ـعـ | عـ | /ŋ/ | n̈ |
غ | ـغ | ـغـ | غـ | /g, ᵑɡ/ | g / ng |
ٯ | ـٯ | ـڧـ | ڧـ | /f/ | f |
ٯّ | ـٯّ | ـڧّـ | ڧّـ | /p, ᵐp/ | p / mp |
ك | ـك | ـكـ | كـ | /k, ᵑk/ | k / nk |
ل | ـل | ـلـ | لـ | /l/ | l |
م | ـم | ـمـ | مـ | /m/ | m |
ن | ـن | ـنـ | نـ | /n/ | n |
و | ـو | و | /v/ | v | |
ه | ـه | ـهـ | هـ | /h/ | h |
ي | ـي | ـيـ | يـ | /z/ | z |
Ny fampiasana ny abidy latina
[hanova | hanova ny fango]Radama I, izay nahay namaky teny voalohany tao amin' ny Fanjakana Merina, na dia nahay nampiasa ny Sorabe aza[29], dia nisafidy ny abidy latina avy amin' i David Jones tamin' ny taona 1823 ary nanasa ny misiônera prôtestanta tao amin' ny London Missionary Society hanangana sekoly sy fiangonana. Ny boky voalohany natao pirinty tamin' ny teny malagasy nampiasa ny tarehin-tsoratra latina dia ny Baiboly, izay nadika tamin' ny teny malagasy tamin' ny taona 1835 nataon' ny misiônera prôtestanta britanika niasa tany afovoan-tany eto Madagasikara[20].
Ny abidy malagasy ankehitriny dia misy litera 21: a, b, d, e, f, g, h, i, j, k, l, m, n, o, p, r, s, t, v, y, z. Ny fanoratana dia nampanarahina ny lisitry ny feonteny. Ny litera i sy y dia samy maneho ny feo /i/ (y ampiasaina any amin' ny fiafaran' ny teny, ary i any an-kafa), fa ny o kosa dia tononina hoe /u/. Ny feo /ʈʂ/ sy /ɖʐ/ dia soratana hoe tr sy dr, ary ny /ts/ sy /dz/ dia soratana hoe ts sy j. Matetika dia tsy tonina ny litera h. Ny litera hafa rehetra dia manaraka ny fanononana azy ao amin' ny Abidy ara-drafipeo iraisam-pirenena. Ny litera c, q, u, w ary x dia tsy ampiasaina amin' ny fanoratana ny teny malagasy.
Ny mp, ary indraindray ny nt, dia mety manomboka teny iray, saingy tononina /p/ sy /t/.
Ny abidin-dRadama I dia mitovy rafitra amin' ny abidy ampiasaina amin' izao fotoana izao: ny isan' ny litera ampiasaina dia mbola iraika ambin' ny roapolo, fa tsindraindray itarina ho enina amby roapolo ny isan' ny litera noho izy ireo ampiasaina amin' ny teny vahiny (toy ny hoe watt).
Ireto ny litera ampiasaina amin' ny teny malagasy (ny eo anelanelan' ny fononteny dia ampiasaina amin' ny fiteny malagasy noho ny fampiasana azy ireo amin' ny teny vahiny): a, b, (c), d, e, f, g, h, i, j, k, l, m, n, o, p, (q), r, s, t, (u), v, (w), (x), y, z.
Fivoaran' ny fanoratana ny teny malagasy
[hanova | hanova ny fango]Niharan' ny fiovana ny fanoratana ny teny malagasy. Samihafa ny fanoratana ny teny malagasy tamin' ny andron-d Radama I (taona 1820-1830) sy ny fanoratana ny teny malagasy tamin' ny faramparan' ny Fanjakan' i Madagasikara (faran' ny taonjato faha-19). Io fanoratana ny teny malagasy tamin' ny faran' ny taonjato faha-19 io koa dia samihafa amin' ny fanoratana ny teny malagasy tamin' ny fanjanahantany izay samihafa ihany koa amin' ny fanoratana ny teny malagasy amin' izao fotoana izao.
Fampiasana ny teny malagasy
[hanova | hanova ny fango]Ampisain' ny Malagasy amin' ny endrika fitenim-paritra na ny fiteny ôfisialy ny fiteny malagasy. Amin' ny lafiny ôfisialy dia ny tenim-pirenena (malagasy ôfisialy) no tena ampiasaina ary matetika io ihany no fiteny an-tsoratra. Mampiasa ny teny malagasy fiteny ôfisialy na tenim-paritra koa ny Malagasy mipetraka any ivelan' i Madagasikara, na dia tsy maro aza ny fianankaviana malagasy tsy mampianatra ny tenin-drazany amin' ny zanany.
Eo amin' ny aterineto indray, dia vitsy ny tranonkala mampiasa ny teny malagasy ho fitenim-botoatiny. Matetika ny Malagasy dia mampiasa ny teny frantsay rehefa miresaka momba ny fampahalalana. Miampy izany koa ny safidin' ny mpikarakara tranonkala izay misafidy ny teny frantsay ho fitenin' ny votoatiny. Araka izany dia mamaky ary matetika mifanakalo hevitra amin' ny teny frantsay ny Malagasy eo amin' ny tranonkala.
Volana natokana ho an' ny fiteny malagasy ny volana Jona, ka ny Akademia Malagasy sy ny Ministera misahana ny kolontsaina no mikarakara ny fankalazana azy.
Wikipedia sy Aterineto amin' ny teny malagasy
[hanova | hanova ny fango]Tsy mampiasa ny Wikipedia amin' ny fiteny madinika ny olona noho ny ratsy mifamahana. "Tsy tia hamorona votoatiny ny olona satria tsy hisy hamaky, ary tsy misy mamaky satria tsy misy votoatiny." Ohatr' ireo jordanianina manoratra amin' ny teny anglisy mba ho azon' ny olona bebe kokoa, manoratra amin' ny teny frantsay ny Malagasy mba ho azon' ny olona any ivelan' i Madagasikara. Hoy izay mpanoratra izay, raha mamorona votoatiny bebe kokoa amin' ny teny nibeazany ny Malagasy, dia hisy kokoa ny votoatiny amin' ny teny malagasy ary ho vaky ilay boribory vetaveta. Araka izany, amin' ny lafiny sasany, hahafahana mamorona fitaovana toy ny mpandika teny anglisy-malagasy ireo orinasa lehiben' ny tranonkala.[30]
Rakibolana
[hanova | hanova ny fango]Ny raki-bolana voalohany amin' ny teny malagasy an-tsoratra dia natao tamin' ny alalan' ny sorabe. Ny rakibolana tamin' ny abidy latina voalohany dia ny Dictionnaire de la langue de Madagascar an' i Etienne de Flacourt izay natonta tamin' ny taona 1658. Taorian' izay dia navoaka ilay English-Malagasy Vocabulary. Tamin' ny 1885 dia navoakan' ny London Missionary Society ny rakibolana malagasy-anglisy izay manana 892 pejy; na izany aza dia ahitana voambolana tranainy io rakibolana io. Betsaka ny fiovana efa natao tamin' ilay rakibolana indrindraindrindra mba hitaratra bebe kokoa ny endriky ny fiteny malagasy ankehitriny. Araka izany ankehitriny dia ahitana rakibolana mifototra amin' ny hatetika izay miankina amin' ny firaketan-dahatsoratra ahitana teny mihoatra ny dimy tapitrisa.
- Winterton, M. et al.: Malagasy–English, English–Malagasy Dictionary / Diksionera Malagasy–Anglisy, Anglisy–Malagasy. Raleigh, North Carolina. USA: Lulu Press 2011, 548 p.
- Richardson: A New Malagasy–English Dictionary. Farnborough, England: Gregg Press 1967, 892 p. ISBN 0-576-11607-6 (Original edition, Antananarivo: The London Missionary Society, 1885).
- Diksionera Malagasy–Englisy. Antananarivo: Trano Printy Loterana 1973, 103 p.
- An Elementary English–Malagasy Dictionary. Antananarivo: Trano Printy Loterana 1969, 118 p.
- English–Malagasy Phrase Book. Antananarivo: Editions Madprint 1973, 199 p. (Les Guides de Poche de Madagasikara.)
- Paginton, K: English–Malagasy Vocabulary. Antananarivo: Trano Printy Loterana 1970, 192 p.
- Bergenholtz, H. et al.: Rakibolana Malagasy–Alemana. Antananarivo: Leximal/Moers: aragon. 1991.
- Bergenholtz, H. et al.: Rakibolana Alemana–Malagasy. Antananarivo: Tsipika/Moers: aragon. 1994.
- Régis Rajemisa-Raolison: Rakibolana Malagasy. Fianarantsoa 1995, 1061 p.
Fitsipi-pitenenana
[hanova | hanova ny fango]Ny fehezanteny amin' ny teny malagasy dia matetika manaraka ny rariteny Matoanteny-Fameno-Lazaina (MFL), (amin' ny teny anglisy: rariteny VOS). Na dia izany aza mety miovaova arakaraky ny endriky ny matoanteny ampiasaina izy io araky ny ohatra aseho eo ambany:
- Rariteny MFL tsotra
- Mandahatra ny miaramila aho.
Mampiasa endrika mivantana ny matoantenin' ny mpanao ny fehezanteny eo ambony[31],
- Rariteny M(L)F
- Alahatro ny miaramila.
Mampiasa ny matoantenin' ny atao ny fehezanteny eo ambony. Miraikitra amin'ny matoanteny ny mpanao ny asa (-ko).
Matoanteny
[hanova | hanova ny fango]Ny matoanteny no fanahin' ny fiteny ary mamaritra ny tao sy hetsika ary fiainana ny matoanteny. Mamaritra ny fisiana izy, noho ny fisian' ny matoanteny misy; mamaritra ny tao izy, ohatra: "tia aho", "miasa ianareo"; mamaritra ny fiaretana izy, amin' ny alalan' ny matoantenin' ny atao: "tiana aho", "esorina ianao".[32]
Ny matoanteny dia ampiasaina amin' ny filazana, fandavana na fanambaràna zavatra izay mbola atao na efa natao: "miasa ny olona", "nomen' olona vola aho"; mibaiko, manasa na mametra-panontaniana[33].
Matoantenin' ny mpanao sy ny matoantenin'ny atao
[hanova | hanova ny fango]Ny matoanteny dia azo atao anaty sokajy telo: ny matoantenin' ny mpanao sy ny matoantenin' ny atao, ary ny matoanteny tsy mitongilana. Ny matoantenin' ny mpanao dia mamaritra ny lazaina manao zavatra. Ny matoantenin' ny atao dia mamaritra ny lazaina miaritra na iharan-javatra.
Ny matoantenin' ny mpanao dia:
- lazaina fa mivantana (anglisy: direct) rehefa manaraka ny matoanteny ny lazaina: ohatra: "miteny aho"; "miasa aho", sns.
- lazaina fa manilika (anglisy: exclusive) rehefa manaraka ny lazaina ny mpameno. Izany dia midika fa ilay lazaina ary ilay lazaina ihany no manao ilay zavatra. Ohatra: "izaho no miteny"; "Rakoto no manjono", sns.
- lazaina fa manantitra (anglisy: emphatic) rehefa manaraka ny matoanteny ny lazaina. ohatra : "izaho miteny", "izaho misotro".
Telo no endriky ny matoantenin'ny atao.
- Ny voalohany dia antsoina hoe endrika tsotra, satria avy amin' ny filaza mandidin' ny fototeny izy. Ohatra: ny matoantenin' ny atao "sotroina" dia avy amin' ny filaza mandidy "sotroy" izay avy amin' ny fototeny "sotro".
- Ny endrika faharoa dia manana tovana mamaritra ny mpanao, na ny lazaina. Ohatra "ampianariko ny ankizy", "dioviko ny trano", sns.
- Ny fahatelo dia ny endrika ara-toe-javatra, satria mampiasa ny toe-javatry ny fotoana, na toerana, na fomba. Ohatra: "Tany an-trano no nisotroan' ny olona rano".
Ny matoantenin' ny atao tsotra dia manana endrika mivantana, manantitra na manilika.[34].
Ny matoanteny tsy mitongilana dia mamaritra tao izay mikasika ny mpanao ary ny mpanao ihany. Ohatra: "Velona aho"; "Mandeha ianao". Manana fiendrika manano ary fiendrika anoina ny matoanteny tsy mitongilana: "Mandeha aho" (mat. mpanao); "andehanako", "alehako" (mat. atao). Manana ny endrika mivantana, manantitra ary manilika ireo matoanteny tsy mitongilana ireo.
Sokaji-matoanteny dimy
[hanova | hanova ny fango]Faharoa, azo sokajina dimy ny matoanteny malagasy :
- Ny matoanteny mitampody (reflektiva),
- Ny matoanteny mamari-pahafahana (anglisy: potentative verb). Ny tovona mamaritra azy io dia ny tovona maha-. Manana endrika mivantana, manantitra (emfatika) ary mandroaka ireo matoanteny ireo.
- Ny matoanteny mamari-pivoarana (anglisy: intensive verb) dia mamaritra ny hafatratra, ny fitomboana na ny fivoaran' ny tao iray. Ny tovona mamaritra ireo matoanteny ireo dia ny tovona miha- ohatra ny anatin' ny mihalava, mihafohy, mihavitsy, mihafeno, sns. Misy fiendrika manano sy ny fiendrika anoina io matoanteny io. Ao amin' ny fiendrika manano (ang.: active voice) sy amin' ny fiendrika anoina (ang. passive voice) dia ahitana ny endrika mivantana, endrika manantitra (emfatika) ary endrika mandroaka (ang.: exclusive form). Amin' ny endrika misy soloteny voatovana amin' ny matoanteny mamari-pivoarana dia ahitana ny endrika mivantana manantitra sy mandroaka.[35]
- Ny matoanteny mampita (ang.: transitive verb) izay mamaritra ny tao ataon' ny lazaina eo amin' ny fameno. Ny tovona mamaritra ireo matoanteny ireo dia ny tovona man- (manana endrika miova arakaraky ny fototeny)
- Ny matoanteny mpifanao (ang.: reciprocative verb) Ao amin' io sokajy matoanteny io dia ahitana ny fiendrika manano ary ny fiendrika anoina izay samy manana ny endrika mivantana, manantitra ary manilika.[36]. Ny endrika mpifanao dia manana ny fiendrika manano, ny fiendrika anoina ary ny endrika voatovana solonteny.
Amin' ny tabilao eo ambany dia aseho ny tsirinteny araky ny endriky ny matoanteny avy amin' ny fototeny "latsaka".
fiendrika manano | fiendrika anoina ary endrika voatovana soloteny | |
---|---|---|
Reflektiva | milatsaka | latsahana |
Mamari-pahafahana | mahalatsaka | ahalatsahana |
Mamari-pivoarana | mihalatsaka | ihalatsahana |
Mampita | mandatsaka | andatsahana |
Mifanao | mifandatsaka | ifandatsahana |
(*) Ny endrika ankehitriny ihany no aseho.
Zana-pizarana na fisokajiana fanampiny
[hanova | hanova ny fango]Ny fizarana fanindroan' ny matoanteny malagasy dia sokajy telo: endrika mpampanao (ang.: causative), endrika mampanao mpifanao (ang.: reciprocative causative) ary endrika mampanao mamari-pahafahana (ang.: potentative causative). Ny tovona amin' ireo matoanteny ireo dia fitambaran' ny tovona ao amin' ny endrika mampanao amin' ny tovoy na ao amin' ny endrika mpifanao na mamari-pivoarana.
fiendrika manano | fiendrika anoina na endrika voatovana soloteny | |
---|---|---|
Mampitranga reflektiva |
mampilatsaka | ampilatsahana |
Mampitranga mamari-pahafahana |
mampahalatsaka | ampahalatsahana |
Mampitranga mamari-pivoarana |
mampihalatska | ampihalatsahana |
Mampitranga mampita |
mampandatsaka | ampandatsahana |
Mampitranga mifanao |
mifampilatsaka | ifampilatsahana |
(*) Ny endrika ankehitriny ihany no aseho.
Ireo matoanteny mampanao mpifana dia natao hamaritana ny zavatra mampanao, na, ny zavatra ataon' ny olona na zavatra mifampivoho. Ireo matoanteny ireo dia aorina amin' ny alalan' ny fanovana ny tovona m- ho mif- amin' ny endrika mampanao ny matoanteny mivantana.
fiendrika manano | fiendrika anoina na endrika voatovana soloteny | |
---|---|---|
mampitranga mpifanao ny matoanteny reflektiva |
mifampilatsaka | ifampilatsahana |
mampitranga mpifanao ny matoanteny mamari-pahafahana |
mifampahalatsaka | ifampahalatsahana |
mampitranga mpifanao ny matoanteny mamari-pivoarana |
mifampihalatsaka | ifampihalatsahana |
mampitranga mpifanao ny matoanteny mampita |
mampandatsaka | ampandatsahana |
mampitranga mpifanao ny matoanteny mifamoivoho |
mifampilatsaka | ifampilatsahana |
(*) Ny endrika ankehitriny ihany no aseho.
Ny endrika mampitranga fahafahana dia maneho ny fahafahana na ny fahafahana mampanao ny tao.
fiendrika manano | fiendrika anoina na endrika voatovana soloteny | |
---|---|---|
mampitranga fahafahana ny matoanteny reflektiva |
mahampampilatsaka | ahampampilatsahana |
mampitranga fahafahana ny matoanteny mamari-pahafahana |
mahampampahalatsaka | ahampampahalatsahana |
mampitranga fahafahana ny matoanteny mamari-pivoarana |
mahampampihalatsaka | ahampampihalatsahana |
mampitranga fahafahana ny matoanteny mampita |
mahampampandatsaka | ahampampandatsahana |
mampitranga fahafahana ny matoanteny mifanao |
mahampampifandatsaka | ahampampifandatsahana |
(*) Ny endrika ankehitriny ihany no aseho.
Anarana sy mpisolo
[hanova | hanova ny fango]Ny mpisolo tena amin' ny teny malagasy dia maro ary miankina amin' ny fifandraisan'ilay mpiteny amin' ilay olona itenenana ny fampiasana azy.
Tambinteny
[hanova | hanova ny fango]Ny tambinteny dia teny ampiarahina amin' ny mpamaritra, ny matoanteny (mamaritra anarana na tsia) ary tambinteny hafa. Ao amin' ny teny malagasy dia ahitana karazana tambinteny telo: ny tambinteny mamaritra isa (fandaharana na fanisana); tambinteny mamaritra fotoana: ankehitriny (oh.: ankehitriny, izao ihany, anio, sns.), efa lasa (sahady, taloha, rahateo, sns.) na ho avy (oh.: hatrizay, arakizao, rahampitso, sns.); ireo tambinteny mamaritra fitsingerenana (matetika, indraindray, rahoviana, sns.); ireo tambinteny mamaritra fitsingerenana voatanisa (oh.: indray, indroa, intelo, isan'andro, isam-bolana, sns.); ireo tambinteny mamari-toerana (oh.: aloha, aoriana, dia, mandavanandro, sns.); ireo tambinteny mamaritra zava-mitranga tsy misy fiafarana (oh.: mandrakariva, mandrakizay, tsy ... intsony)[40]
Mpamari-toerana
[hanova | hanova ny fango]Akaiky | Lavidavitra | Lavitra | ||||||
---|---|---|---|---|---|---|---|---|
Tambinteny | Tsy hita | atỳ | àto | ào | àtsy | àny | aròa* | arỳ |
Hita | etỳ | èto | èo | ètsy | èny | eròa | erỳ | |
Soloteny | Tsy hita | izatỳ* | izàto* | izào | izàtsy* | izàny | izaròa* | izarỳ* |
Hita | itỳ | ìto | ìo | ìtsy | ìny | iròa* | irỳ | |
Hita pl. | irèto | irèo | irètsy | irèny | ireròa* | irerỳ* |
Fanamarihana :
- Tsy voatery asiana tendro ny mpamari-toerana.
- Tsy ampaisaina matetika ny mpamari-toerana misy ny *.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]Lohahevitra sasany momba ny fitsipiteny malagasy
- Fameno
- Mpampiankina
- Fitodika na fiendrika
- Tsirinteny
- Filazam-potoana
- Fanehoan-javatra
- Filaza
- Sokajin-teny
Fiteny be mpampiasa ao Afrika
- Ireto ireo fiteny be mpampiasa ao Afrika: ny fiteny afrikansa, agny, amharika, anglisy, arabo, bambara, baole, berbera, bete, diola, fanga, fola (na fiteny peola), frantsay, haosa, iôroba, kitoba, lingala, malagasy, môre, pôrtogey, soahily, sômaly, sôninke, soso, tigrinia, vôlôfo ary zolo.
Rohy ivelany
[hanova | hanova ny fango]- Tatitra Ethnologue mikasika ny teny malagasy
- Foibe momba ny Teny an' ny Akademia malagasy
- Ny fifehezanteny malagasy ao amin'i teny.org (renisokajy Archived Aprily 8, 2022 at the Wayback Machine)
- Rakibolana sy Rakipahalalana malagasy
Boky malalaka
[hanova | hanova ny fango]- ((en)) A grammar of the Malagasy language, in the Ankova dialect , nosoratan'i David Griffiths, 1854
- Клименко В. В. Малагасийский язык // Большая российская энциклопедия. Том 18. Москва, 2011, с. 600-601.
- Клименко В. В. Словари малагасийского языка в России и за рубежом // Архонт, 2023, № 2, с. 83-91.
Tsiahy
[hanova | hanova ny fango]
|