Aller au contenu

Espaniôla (vahoaka)

Avy amin'i Wikipedia
Espaniôla manao fitafiana nentim-paharazana

Ny Espaniôla dia olona teratany na olom-pirenena any Espaina. Ao Espaina dia misy karazana fokom-pirenena sy fokom-paritra izay maneho ny tantara be pitsiny tao amin' io firenena io, ao anatin' izany ny fisian' ny fiteny maro samihafa, na teratany na avy amin' ny fiteny latina napetraky ny Rômana, ka ny fiteny espaniôla no lehibe indrindra sy fiteny ôfisialy tokana manerana ny firenena iray manontolo.

Atao hoe Pueblo español na Españoles izy ireo amin' ny teny espaniôla.

Ny fiteny isam-paritra fampiasa matetika dia ahitana, indrindraindrindra ny fiteny baska, izay hany fiteny teratany sisa velona ao Iberia, sy fiteny rômana avy amin' ny fiteny latina hafa toa ny fiteny espaniôla, ny fiteny katalana ary ny fiteny galisiana. Betsaka ny mponina any ivelan' i Espaina no manana razambe nifindra monina avy any Espaina ary miaina araka ny kolontsaina hispanika. I Amerika Hispanika any amin' ny ila-bolantany andrefana no tena misongadina tamin' ireo.

Nandresy sy naka an' i Iberia ny Repoblika Rômana tamin' ny taonjato faha-2 sy voalohany tal JK, ary Hispania no anarana nomen' ny Rômana an' i Iberia amin' ny maha faritany ao amin' ny Empirany azy, dia nandalo ny dingan' ny rômanizasiôna amin' ny lafiny fiteny sy kolontsaina, koa noho izany, ny ankamaroan' ny fiteny any Espaina ankehitriny, afa-tsy ny fiteny baska, dia nivoatra avy amin' ny fiteny latinam-bahoaka izay nampidirin' ny Rômana fahiny. Tamin' ny fiafaran' ny Empira Rômana Andrefana dia nifindra monina avy any Eorôpa Afovoany ny kônfederasionan' ny foko jermanika, nanafika ny Saikinosy Iberiana ary nanangana fanjakana mahaleo tena tany amin' ny faritany maro ao andrefany, anisan' izany ny Soeba na Soeva sy ny Alàna ary ny Vandaly. Farany, ny Visigôty dia nampiditra an-keriny hofeheziny ny faritany mahaleo tena rehetra sisa tavela tao amin' ilay saikinosy, anisan' izany ny faritany bizantinan' i Spania, ho ao amin' ny Fanjakana Visigôty, izay nanambatra ara-pôlitika sy ara-pivavahana ary ara-dalàna ny faritany na fanjakana nandimby azy ny rômana taloha, izay natsoina hoe Hispania tamin' izany fotoana izany.

Tany am-piandohan' ny taonjato faha-8 dia resin' ny Kalifata Islamikan' ny Omaiada izay tonga tao amin' ilay saikinosy tamin' ny taona 711 ny Fanjakana Visigôty. Tsy ela dia nanjary nahaleo tena tamin' i Bagdad ny fitondrana mozilmana tao amin' ny Saikinosy Iberiana, izay nantsoina hoe Al-Andalus. Ny faritra kely maromaro nisy Kristiana vitsivitsy any avaratra izay ivelan' ny fitondrana mozilmana, sy ny fisian' ny Empira Karôlinjiana ao akaikin' ny tangorom-bohitr' i Pirenea, dia nitarika ho amin' ny fipoiran' ny fanjakana kristiana maro toa ny Fanjakan' i León, ny Fanjakan' i Castile, ny Fanjakan' i Aragon, ny Fanjakan' i Pôrtogaly ary ny Fanjakan' i Navarre. Nandritra ny taonjato fahafito dia nisy fanitarana mianatsimo ireo fanjakana farany ireo (izay fantatra amin' ny histôriôgrafia hoe Reconquista), ary niafara tamin' ny fanonganan' ny Kristiana ny fitondrana mozilmana farany (ny Fanjakana nasridan' i Granada) tamin' ny taona 1492, tamin' io taona io ihany no nahatongavan' i Christophe Columb tany amin' ny "Tontolo Vaovao". Nandritra ny taonjato maro taorian' ny Reconquista, dia nanenjika sy nandroaka ny vahoaka vitsy anisa ara-poko sy ara-pivavahana toa ny Jiosy sy ny Mozilmana tamin' ny alalan' ny Inkizisiôna Espaniôla ny mpanjaka kristianina tany Espaina.

Nisy koa ny firosoan' ny fivondronana ara-pôlitika teo amin' ny fanjakana kristiana maro, ary tamin' ny faramparan' ny taonjato faha-15 dia nisy ny firaisan' ny tarana-mpanjaka tao Castile sy Aragon teo ambany fitondran' ny mpanjaka katôlika, izay noheverina amin' ny ankapobeny ny fotoana nisehoan' i Espaina ho lasa firenena iray tsy mivaky. Ny fandresena sy fakana an' i Navarre dia nitranga tamin' ny taona 1512. Nisy koa ny vanim-potoana nantsoina hoe Firaisana Iberiana, izay firaisan' ny tarana-mpanjaka tamin' ny Fanjakan' i Pôrtogaly (Reino de Portugal) sy ny Satro-boninahitra Espaniôla (La Corona); Nandritra izany fotoana izany, ireo firenena roa ireo dia nofehezin' ny mpanjaka espaniôla habsborga teo anelanelan' ny taona1580 sy 1640.

Tany am-piandohan' ny vanim-potoana môderina dia nanana ny iray amin' ny empira lehibe indrindra teo amin' ny tantara i Espaina, izay anisan' ny empira eran-tany voalohany ihany koa, namela lova ara-kolontsaina sy ara-piteny lehibe izay ahitana mpiteny espaniôla maherin' ny 570 tapitrisa, ka mahatonga ny fiteny espaniôla ho fitenin-dreny faharoa be mpampiasa indrindra eran-tany, aorian' ny fiteny sinoa mandarina. Nandritra ny Andro Volamena Espaniôla dia nisy ihany koa ny fandrosoana teo amin' ny zavakanto, niaraka amin' ny fisandratan' ny mpanao hosodoko malaza toa an' i Diego Velázquez. Ny sanganasa literatiora espaniôla malaza indrindra, Don Quixote, dia navoaka nandritra ny Andro Volamenan' ny Empira Espaniôla.

Ny mponina ao Espaina dia nanjary isan-karazany noho ny fifindra-monina tamin' ny faramparan' ny taonjato faha-20 sy tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-21. Nanomboka tamin' ny taona 2000 ka hatramin' ny 2010, i Espaina no anisan' ny manana tahan' ny fifindra-monina isan' olona lehibe indrindra eto amin' izao tontolo izao ary ny faharoa lehibe indrindra amin' ny ambim-pifindra-monina miabo lehibe indrindra eto an-tany (aorian' i Etazonia). Ny vahoaka isam-paritra sy ara-kolontsaina isan-karazany dia ahitana ny Kastiliana (esp.: castellanos), ny Aragôney (esp.: aragoneses), ny Katalana (esp.: catalanes), ny Andaloziana (na Andalo, esp.: andaluces), ny Valensiana (esp.: valencianos), ny Balearika (na Baleara, esp.: baleáricos), ny Kanariana (esp.: canarios), ny Baska (esp.: vascos) ary ny Galisiana (esp.: gallegos), ankoatra ny hafa.

Ny katôlisisma no antokom-pivavahana lehibe indrindra any Espaina, na dia nihena aza ny anjatany amin' ny mponina ao nandritra ny am-polony taona maro. Araka ny fanadihadiana nataon' ny Foibe Espaniôla momba ny Fikarohana Sôsiôlôjiaka tamin' ny taona 2013 dia manodidina ny 71 % amin' ny Espaniôla no milaza tena ho Katôlika, 2 % ny manaraka finoana hafa, ary eo amin' ny 25 % no fantatra fa tsy mino an' Andriamanitra na nanambara fa tsy nanana fivavahana arahina. Ny angon-drakitra momba ny fanadihadiana tamin' ny taona 2019 dia mampiseho fa lasa 69 % ny Katôlika, 2,8 % ny "finoa hafa" ary 27 % ny tsy mino an' Andriamanitra sy agnôstika ary tsy mpino.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]